<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Taona tokana sarobidy
 Ka isaorana Ilay Tsitoha
 Tena taona mba fitadidy
 Fa tsingerina mampifoha
 Ny hafalian'ny lohantaona
 No manenika izato lasy
 // Fa naharitra ka tsy foana
 Ny Baibolin'ny Malagasy //

[V2]
 Ny vahoakan'ny firenena
 'Njao mianoka fifaliana
 Fa ny Tenin'ny Famonjena
 No rnivimbina fitahiana
 Ka manenika ny eran-tany
 Sy manerana ny tontolo
 // Ary isany tamin'izany
 Ny taninay ka niova volo. //

[V3]
 Be ny sarotra nosetraina
 Be ny sakana izay nandrara
 Nisy aza famoizana aina
 'Zay voarakitry ny tantara.
 Nefa, tao Andriamanitra
 Ka ny Teniny tsy mba resy
 // No sabatra iray maranitra
 Nampahatoky sy nampandresy //

[V4]
 Irina indrindra ho tafatoetra
 Hitondrana ny firenena,
 Ho filamatra, tarigetra
 Izany tenin'ny Famonjena:
 Ny fitiavana hahazo laka,
 Filaminana no hiseho,
 // Fiadanana no hanjaka,
 Ny fahantrana ho foana hatreo //</lyrics>
<title>Taona tokana sarobidy FFPM826</title>
<hymn_number>826</hymn_number>
</song>